Dédicaces <3

Voir le sujet précédent Voir le sujet suivant Aller en bas

Dédicaces <3

Message  Tsipolotrakely le Jeu 09 Mai 2013, 19:39

Zay ratranao de feriko,
Takaitranao no aretiko,
Ka n’inon’inona hanjo,
Zay lalanao no hizorako,
Antsana io na tevana
Tsy hampiova na hampiemotra
Fotsika mifangy miala to ka hatrary

Veloma lava rony sento tomany e,
Reo nofy ratsy tsy nanampy ny omaly e,
Tsy irery intsony aho manomboka androany e,
Sendra ny tiko aho sady tia ka tsy ho tana e,
Tsy hay vahana fa mifaningo-paka o,
Miantsa maraina ka tsy foiko ravana o,
Fitiavana io fa tsy mba tady mahazaka e,
Tsy vitan’ny hoe tapaho hatreo io de miala e,
O Sanatriiiiiiaaa.

Fitiavana no mamiko,
Fa tiko toy ny taniko
Vimbino tsara fa ho arovako
Raha sendra misy ny tsy to
Fitia tsy nangalarina
Ka ‘meo lalana izahay
Fa ela niaretana ka mba te ho sambatra.


Dernière édition par Tsipolotrakely le Jeu 09 Mai 2013, 19:49, édité 2 fois

Tsipolotrakely

Messages : 7
Date d'inscription : 28/11/2012

Revenir en haut Aller en bas

Re: Dédicaces <3

Message  Tsipolotrakely le Jeu 09 Mai 2013, 19:41

1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô !
Ny famonjena izay vitanao;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay.

Fiv : Jeso malala ô !
Mpamonjy soa!
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
velon-kANOA,
Vonon-kanao izay sitrakao.

2. Tano ny foko, ry Jeso tia!
Zaza tsy mahasaraka Anao;
Mbola malemy mora mania,
Tano hifikitra ao aminao.
Jeso malala ô! sns…

3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitepo tena iray;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay.
Jeso malala ô ! sns…

Tsipolotrakely

Messages : 7
Date d'inscription : 28/11/2012

Revenir en haut Aller en bas

Re: Dédicaces <3

Message  Tsipolotrakely le Jeu 09 Mai 2013, 19:47

Ho anao ity hira ity
Foiko ho anao,omeko anao
Raha tsy ho ela aho tsy anilanao
Ity hira ity tsy hisaraka aminao
Ankahery anao izy,raha trotraky ny alahelo ianao
Hiara hifaly aminao,raha sambatra ianao

Rahatrizay ka lasana aho
Ity hira ity tsy hoesoriko aminao

Tano ho anao, fa vokatry ny foko tia
Raha ketraka ianao dia izy io hanampy anao
Tena foiko ho anao,mandrakizay
Ho anao,ho anao


Ho anao ity hira ity
Foiko ho anao,omeko anao
Raha tsy ho eo aho tsy anilanao
Ity hira ity tsy hisaraka aminao
Hankahery anao izy,raha trotraky ny alahelo ianao
Hiara-hifaly aminao,raha sambatra ianao
ô ô ô

Tena omeko anao
Ts'isy tambiny na sandany hoe
Alaiko aminao rahatrizay
Tsy tia ahy ianao
efa omeko anao
tsy alaiko intsony
ho anao, ho anao

Tsipolotrakely

Messages : 7
Date d'inscription : 28/11/2012

Revenir en haut Aller en bas

Re: Dédicaces <3

Message  Contenu sponsorisé


Contenu sponsorisé


Revenir en haut Aller en bas

Voir le sujet précédent Voir le sujet suivant Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum