Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety i Andry Rajoelina Teo, teny amin'ny BANI Ivato teny am-pahatongavana.

Voir le sujet précédent Voir le sujet suivant Aller en bas

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety i Andry Rajoelina Teo, teny amin'ny BANI Ivato teny am-pahatongavana.

Message  LALTIN le Jeu 02 Mai 2013, 15:24

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety i Andry Rajoelina Teo, teny amin'ny BANI Ivato teny am-pahatongavana. Raha fintinina dia handeha hiresaka amin'ny Troïka ao amin'ny SADC izy, araka ny filazany, fa aminy zany dia mbola tsy vory indray ny fepetra rehetra ahafahana manao fifidianana. Lalao Ravalomanana hono nandika ny fifanarahana hoe tsy manao politika Tonga eto nefa dia io nilatsaka ho fidiana io, ny avy aty amin'ny Mpitolona hono nisaratsaraka, efa 7 hoy izy ny kandida nitolona amin'ireo, nefa mba firaisankina no notadiavina, ny mpandraharaha ara-toekarena ndray hono tsy afa-miasa noho ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana, ka tsy hanaiky an'izany mihitsy izy. Dia izay rehetra izay no entiny eo anatrehan'ny troïka SADC. Zany hoe raha tsorina, mitady hampihemotra ny fifidianana indray izany Andry Rajoelina, Niova hevitra indray izy izany, rehefa nahazo tsindry avy any Vatican sy tany ivelany tany, satria tsaroana tsara fa nanohitra mafy ny FFKM mitady hanao transition bis izy tany Ambovombe talohan'ny nialany teto nankany Vatican tampoka iny ary nilaza fa fifidianana izao no mila atao fa tsy mbola hampihemotra izany indray. Dia hahemotra ndray ve zany ny fifidianana dia mbola Andry Rajoelina sy ny ekipany ihany no hitondra eo ary hatramin'ny oviana indray? Dia ahoana hoy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin'izany? Dia ahoana hoy ireo kandida efa nanomana fatratra? Dia ahoana hoy isika vahoaka Malagasy indrindra indrindra?

LALTIN
Invité


Revenir en haut Aller en bas

Voir le sujet précédent Voir le sujet suivant Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum